[Vaovao 11-05-03]

Faly miarahaba antsika malagasy rehetra amin'ny anaran'ny Tompo, ary faly koa mampatsiahy ny fotoam-pivavahana amin'ity volana may ity. Koa marihina etoana fa ny fiaraha-mivavaka volana may dia hatao ny Alahady 25 May 2003 amin'ny 2 ora (roa ora) tolak'andro toy ny mahazatra ihany.

Faly koa izahay manambara fa i Pasitera Samoela Andriani (Fiangonana malagasy New-York), izay solontenan'ny fiangonana FJKM aty Amerika Avaratra, dia ho tonga hitsidika ny fiangonana sy ny mpiara-mivavaka amin'io andro, koa izy no hitondra ny Tenin'Andriamanitra sy hanao ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo. Zava-dehibe tokoa ho an'ny fiangonana izao fandalovan'i Pasitera Samoela Andriani izao, koa manainga antsika mianakavy hitrotro amim-bavaka ny diany sy ny hahatotosan'ny fotoam-pivavahana soa aman-tsara.

I Rakotomala Jules Mbelomanana sy ny vady aman-janany dia angady nananana sy vy nahitana ny fiangonana protestanta malagasy eto Canada (F.P.M.C). Raha hoy ny Tenin'ny Tompo manao hoe: "Indro, efa nitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko" (Apo 3: 20), dia tsy mba nandà ny antson'Andriamanitra taminy izy ireo, rehefa nibitsika mangina tao anatiny ny Fanahy Masina, ka nahatonga azy ireo nanapa-kevitra ny hikarakara fiangonana. Tsy zovina amintsika intsony ny zavabitan'izy mivady teo amin'ny fiangonana ary teo amin'ny mpiara belona aminy, indrindra indrindra ny asa amin'ny maha kristianina azy ireo teo anivon'ny fiangonana F.P.M.C sy ny Église présbytérienne St-Luc. Na marary na salama, na mangatsiaka na mafana, na sahirana na tsia dia teo foana izy mianakavy nanatanteraka ny andraikitra izay napetrak'Andriamanitra taminy. Tontosany antsakany sy andavany izany. Ankehitriny mana-pikasàna ny hiverina any an-tandindrazana izy ireo, koa tsy mety ny tsy hitso-drano ny amin'ny diany sy ny fiainany any aoriana, ary tsy mety ny tsy hisaotra ny amin'ny zavabitany teto amin'ny fiangoanana sy teo anivon'ny malagasy mpiray taninbdrazana aminy. Izy ireo rahateo dia efa saika hanao filazana ho an'ny rehetra, satria hoy ny teny malagasy manao hoe: mandeha tsy milaza hono, naman'ny tezitra. Koa hisy fanaovam-beloma an'i Mbelo sy Nancy (sy ny zanany) izany amin'ny fotoam-pivavahan'ny Alahady 25 May ho avy izao, koa hilazao ny namana sy havana rehetra.

Dia mirary antsika rehetra ho eo ambany fahasoavan'ny Tompo.




Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo, ary faly koa mampatsiahy ny tsirairay ny fiaraha-mivavaka amin'ity volana febroary ity. Amin'ny Alahady izao, izany hoe: Alahady 23 febroary 2003 amin'ny 2 ora tolak'andro toy ny mahazatra ihany ny fotoana, ary koa eo amin'ny toerana mahazatra, izany hoe ao amin'ny fiangonana presbiteriana St-Luc 5790, 17e avenue Montréal - coin Rosemont - Métro ROSEMONT + Autobus 197.

Mampilaza ihany koa izahay fa hisy famangiana manjo aorian'ny fotoam-pivavahana. Ny rahalahan'i Serge RAMBOANDRATRIMO dia nantsohin'ny Ray hody any aminy efa ho iray volana eo ho eo izay. Koa miara miory amin'ny fianakaviana ny fiangonana ary koa mitrotro am-bavaka azy mianakavy kely.

Dia misaotra Tompoko, ary mirary antsika rehetra ho eo ambany fahasoavan'ny Tompo.



Dia mbola faly miarahaba antsika mianakavy indray ny Fiangonana Protestanta Malagasy, ary faly koa mampatsiahy fa ny fotoanan-tsika manaraka dia ny alahady 26 Janoary 2003 ho avy izao. Amin'ny 2ora tolak'andro toy ny mahazatra ihany. ary ao amin'ny toerana mahazatra ihany, izany hoe EGLISE St-LUC, 5790, 17e avenue Montréal - coin Rosemont - Métro ROSEMONT + Autobus 197. Dia manantena ny fahatongavatsika rehetra ary hilazao izay olona mbola mety tsy mahalala na tsy mahafantatra ny fiarahan-tsika mivavaka.

Dia misaotra Tompoko.



Araka ny efa fantatry ny maro dia nampiantso solontenan'ny fikambanana izay mijoro eto Canada ny Ambasadaoro malagasy vaovao eto amintsika. Namaly izany antso izany ny F.P.M.C, ary nandefa solon-tena iray, dia tsy iza izany fa Andriamatoa RAKOTOMALALA Jules Mbelomanana. Koa indreto ary ny tatitra avy amin'ny solom-tenan'ny F.P.M.C.

Tatitra momban ‘ny fandraisan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy eto Canada (FPMC) anjara tamin’ny fihaonana tamin’ny Masoivohon’i Madagasikara sy ny « fikambanana eto Canada » notontosaina tao amin’ny Masoivohon’i Madagasikara ao Ottawa ny 11 janoary 2003 lasa teo.

Toy izao ny fandaharam-potoana :
• Fahatongavan’ny mpivory
• Teny fanokafana nataon’ny Atoa Ambasadaoro Florent Rakotoarisoa
• Fampahafantarana ny momban’ny Fikambanana tsirairay :
- Centre Culturel et Communautaire Malagache (CCCM)
- Solidarité Jeunesse Malagasy au Canada (SJMC)
- Sekoly Malagasy eto Montréal (SMM)sy Groupe de Danse Folkloriqe Malgache (GDMF)
- Rencontre Sportive Malagasy (RSM)
- Fiangonana Protestanta Malagasy eto Canada (FPMC)
- Fiangonana Katolika Malagasy eto Canada
• Famelabelarana ny andraikitra sahanin’ny Masoivoho
• Fiaraha-misakafo
• Fifanankalozan-kevitra momban’ny :
- Fiaraha-miasa eo amin’ny Masoivoho sy ny Malagasy am-pielezana aty Canada
- Fampivondronana ny Malagasy eto Canada
- Drafitr’asa iombonana (fohy sy lavitra ezaka)
• Samihafa
• Famarànana ny fivoriana

Ny anjara noraisin’ny Fiangonana Protestanta Malagasy eto Canada (FPMC)

• Fampahafantarana ny fikambanana :

- Atoa Rakotomalala Mbelomanana Jules izay anisan’ny mpikarakara no solon-tena tonga nampahafantatra ny FPMC tamin’ireo izay nanatrika teo ka namelabelatra tamin’ny ambangovangony ny : taona sy antony niorenan’ny fiangonana, ny fizotra sy ny antom-pijoroan’ny fiaraha-mivavaka izany hoe : Fiangonana protestanta amin'ny endrika misokatra amin'ny firaisam-pinoana na ekiomenisma, ny fitaizàna ara-panahy, ny mahasarobidy ny hanaovana izany amin’ny teny malagasy.
• Famaliana fanontaniana iray :
- Fanontaniana izay napetrak’Atoa Ambasadaoro Florent Rakotoarisoa momban’ny fisian’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy (FFKM) eto Canada.
Valin-teny : tsy misy (Mbelo Rakotomalala), fa ezahina hatsangana raha toa ka ilaina (Père Hilarion R.)
• Soso-kevitra iray naroso ho andraikitrin’ny fiangonana :
- Atoa Christian R. (Fiangonana Katolika Malagasy eto Canada) dia nandroso ny soso-kevitra momban’ny toeran’ny fiangonana raha misy ny fifandirana dia ny tokony haha-mpanelanelana azy miaraka amin’ny masoivohom-pirenena.

Vokatry ny fivoriana : fanapahana drafitr’asa iombonana :

• Fanapahana ny hanaovana forum de consultation hamoriana ny Diaspora Malagasy tsy ankanavaka eto Canada, izay kasaina hotontosaina ny 24 mey ho avy izao.
• Fananganana komity ara-teknika (ad hoc) : na Comité de Réflexion pour l’Organisation du Forum (CROF), izay mamondrona olona dimy nofidiana tao amin’ireo fikambanana efa mijoro ireto : Atoa isany Heritiana (RSM), Christian (FKMC), Josoa Andrianaly (SJMC), Père Hilarion (FKMC), sy Ramatoa Mireille (SMM); ary izy ireo dia ampian’ny olona iray avy ao amin’ny Masoivohom-pirenena. Izy ireo moa dia : hamakafaka momban’ny tanjona kendren’ny fifandraisan’ny Diaspora sy ny Masoivohom-pirenena, handinika ny fomba entina manatanteraka ny fiaraha-miasa (structure), ary koa ny fomba enti-manana izany (moyens)



Manomboka indray ny taom-pianarana vaovao 2003 - Vita tanteraka ny fialan-tsasatra na ho an'ny ankizy izany na ho antsika ray aman-dreny Tapitra manaraka izany koa ny fialan-tsasatry ny fiangonana koa miantso antsika malagasy tsy an-kanavaka mba ho tonga amin'ny fiaraha-mivavaka voalohany amin'ny Alahady 29 Septambra 2002 amin'ny 2 ora tolak'andro toy ny mahazatra ary ao amin'ny Fiangonana St-luc toy ny mahazatra ihany (5790, 17e avenue Montréal - coin Rosemont - Métro ROSEMONT + Autobus 197)..
Tsara ny manamarika fa hisy fandraisana ny fanasan'ny Tompo amin'io andro io koa manainga antsika mba hilaza amin'ny tapaka sy namana rehetra izay mety tsy mahafantatra na tsy mahalala ny fiaraha-mivavaka, indrindra ireo olona vao tonga nifindra monina na handrato fianarana.

Amin'ny alahelo lehibe no hilazana amin-tsika fa misy namantsika iray izay nofahon'ny fahafatesana tamin'ny Alahady tolak'andro, dia tsy iza izany fa i Tompokovavy MICHELE RATOVONONY. Miombon'alahelo tanteraka amin'ny fianakaviana ny fiangonana ary koa tsy mitsahatra ny mitrotro amim-bavaka azy ireo amin'izao fahoriana midona amin'ny fianakaviana izao.
Hita ao amin'ny FORUM na ao amin'ny seragasyCA ny andinindininy momba ny famangiana manjo sy ny fitsapana alahelo.

Misy zava-baovao vitsivitsy maromaro amin'ity site ity:
- Navaozina ny FORUM ary nasiana rubriques hafa ihany koa mba hahafahan'ny malagasy aty Canada mifampireseka na mandefa hafatra maika na miady hevitra.

- Afaka jerena ihany koa ny rohy "SARY" izay ahitana Streaming VIDEO. Mba mangataka FEEDBACK avy aminareo ahafantarana hoe mandeha tsara sa tsia ny video (apetraho ao anaty FORUM SAMIHAFA).

Dia misaotra Tompoko, ary manantena antsika ho eo ambany fahasoavan'ny Tompo hatrany.

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Vita soa aman-tsara ny fotom-pivavahana farany tamin'ity taom-pianarana 2002 ity. Dia isaorana an'Andriamanitra izany, ary isaorana antsika rehetra. Mbola mamerina ihany fa nampadrosoana ny fotoam-pivavahana farany, ary noho izany dia tsy hisy fotoam-pivavahana ny Alahady 30 jiona. Mbola mamerina ny fialan-tsiny ihany Tompoka.

Mbola mamerina ihany koa ny fisaorana ho an'i Pasitera RAVELONJATO Charlie izay nanolo tena nitondra ny Tenin'Andriamanitra teto amin'ny fiangonana efa nandritra ny telo volana teo ho eo izay, eny fa na dia halavitra tokoa aza no misy azy (Toronto).

Mbola ho lazaina miandalana eto ihany ny fandaharam-potoana amin'ny taom-pianarana 2003, koa aza adino ny mitsidika matetitka ity pejin'ny fiangonana ity.

Dia mirary fialan-tsasatra sambatra ho antsika tsirairay, ary ny Tompo homba antsika mianakavy any amin'izay misy antsika tsirairay avy any.

Faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Hilazana isika rehetra fa noho ny antony tsy miankina aminay mpikarakara, dia voatery izahay hampandroso ny fotoam-pivavahana amin'ity volana Jiona 2002 ity. Fotoam-pivavahana farany ihany koa amin'ity taom-pianarana 2002 ity, koa manasa antsika rehetra mba ho tonga marobe, ary manasa koa antsika hilaza amin'ireo namana sy tapaka izay mbola tsy naheno, indrindra indrindra momba ny fiovan'ny fotoana. Izany fotoam-pivavahana izany dia hatao ny Alahady 23 Jiona 2002 amin'ny 2ora sy sasany tolak'andro, ary ao amin'ny Fiangonana St-luc toy ny mahazatra ihany (5790, 17e avenue Montréal - coin Rosemont - Métro ROSEMONT + Autobus 197).


Dia manantena ny hifankahita tsy ho ela, ary aza adino koa ny fotoanantsika any amin'ny Gala évangélique ny Asabotsy 22 Jiona ho avy izao. Afaka tsidihina ny tranokala http://vavakagasy.tripod.ca raha mila fanazavana fanampiny, na tsindrina ny lien animé eo an-kavanana raha te hijery ny afisy momban'io ianao.


Afaka tsindrina koa ny bokotra "HIRA" eo amin'ny ankavia fa maro ny zava-baovao ao. Tsy mitsahatra misaotra an'i Alain isika noho ny asa be izay vitany, izay endrika itoriana sy hampahafantarana ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy Tompo.


Dia manantena antsika rehetra mba ho eo ambany fahasoavan'ny Tompo lalandava.